tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana hoentiny miasa, sy ho fanomanana ihany koa ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM, hatao ny 1 jolay ho avy izao. Nandritra io fotoana io, nisy ny « téléthon » na tsipaipaika ho fanampiana an’i Ninie Donia nataon’ireto andriambavilanitry ny antoko Tiako i Madagasikara ireto, ka nahangona 300.000 Ar nandritra izany, ka io no natolotra an’i Ninie Donia izao, izay migadra tsy ara-drariny noho ny resaka politika any amin’ny fonjan’i Nosy-Be. Noho elanelan-tany, nalefa tamin’ny alalan’ny Mobile Money any amin’ny filohan’ny Vehivavy TIM Nosy-Be faritra Diana, Ramatoa Mariane izy io. Mbola hitohy izao tolo-tanana ataon’izy ireo ho an’i Ninie izao ho mariky ny firaisan-kiana amin’ity mpanakanto sady mpanao politika efa kandida ho depiote tao Nosy-Be tamin’ny lokon’ny TIM ity.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra