Fampielezan-kevitra hampandroso fa tsy fampielezam-bola hanome fahafinaretana vetivety no atao. Maro no efa resy lahatra fa mety io ary velom-panantenana fa ho tanteraka izany.
VELOM-PANANTENANA NY MPAMPIANATRA
Nanamafy ny solontenan’ny mpampianatra, raha nandray fitenenana nandritra ny fihaonambe tao Fianarantsoa, fa ny fampianarana mifanandrify amin'ny Malagasy. Fampianarana tena izy ahafahan'ny firenena miala amin'izao lavaka mangitsokitsoka misy ny firenena izao no ilaina. “Tsy ny fombafomba ety ivelany no maha Malagasy. Lanjan-kasina maha olona napetraky ny razantsika. Mahatsiaro tena fa tompony”, hoy io solontenan’ny mpampiantra io nanamafy, fa ny fanabeazana no isan’ny apinga voalohany ahafahana manova ny firenena”, hoy ny ny solontenan’ny mpampianatra.
Mpampianatra
VONONA HIFANOME TANANA NY TANORA
Nisy fihaonana tamin'ny mpianatra ny 9 aogositra nizarana ny vinam-panabeazana tamin'ny mpianatra. Tena nahaliana ny fizarana traikefa, ny masoandro mody ny mampalahelo. Misaotra Tahina Razafinjoelina, fa tena marina tsotra kanefa mahomby tokoa ny vina nozarainay. Vonona izahay ho fanovana amin'ny tenanay mba ho fanovana ho an'i Madagasikara ihany koa. Zava-dehibe ho anay tanora ilay hoe Fanabeazana mitodika amin'i Madagasikara, hoy ny solontenan’ny mpianatra.
Mpianatra
MANANTENA AZY NY TANTSAHA
Naneho ireo solontena samihafa tahaka ny tantsaha izay maro an’isa eto, toy nahitana ny solontenan’ny mpiomby omby fa sehatra iray matanjaka eto ao anatin’ny Faritra Matsiatra ambony io. Tsy matanjaka anefa ary tsy misy fivoarana ara-teknika, ka ny omby gasy 250kg, raha afaka ny mbola ho tsara kokoa noho izany. Olana ihany koa ny tsy misy fandriampahalemana. Manantena fa hisy ny vahaolana miainga amin’ny vinam-piarahamonina entin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana tarihin’Atoa Tahina Razafinjoelina.
Tantsaha
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra